Noelinay Fahizay....
4 mianadahy izahay no teo ankohonanan'ny Mama,izany hoe izy 3mianadahy zokiny no tena zanany fa izaho no taizany kanefa dia tena iray tampo izahay 4 'reo,fianakaviana niaina tao anatin'ny
fahantrana izahay
Tsaroako tsara fahizay rehefa ankatoky ny Noely toy izao,Mifaly avanja ny olona manomana ny Noely, izahay kosa mikatroka mameno siniben'olona zany hoe "matsaka rano" mba hanomanana ny
Noely.Tsy mba afaka manomana zavatra betsaka anefa izahay fa rehefa mahazo kapa jiosy na "skobido" hoy isika ;dia zava-dehibe ho anay izany,faly tokoa rehefa andeha ho any ami'ny BATA
hividy izany kapa izany, ny akanjo indray dia efa manana akanjo fotsy izahay 3 vavy ka ataon'i Mama tsara tahiry izy io mba hanaovana isaky ny Noely,dia ny morotongotr'akanjo moa no
alavaina isan-taona.Ny ory tsy havan'ny manana,ny omby mahia tsy lelafin'ny namany hoy isika Malagasy? Tena marina io fitenenana io fa rivotra nihainanay io,rehefa tonga ny fianarana hira
sy tsianjery any ampiangonana rehefa Noely toy izao dia an'isan'ny mipitrapitra izahay 4 mianadahy,ahilika etsy sy eroa, saika miala anay daholo ny ankizy,rehefa injay tonga ny fizarana
tsianjery dia izahay no omena farany.
Tonga ny andro lehibe fankalazana ny nahaterahan'ny Mpamonjy dia mba an'isany mankalaza miaraka amin'ny olon-drehetra izahay ,ny nampalahelo indrindra tamin'izany dia tsy mba
an'isan'irony ankizy milahatra manao tsianjery irony izahay fa any ahoriana be any no apetraka; asa malotoloto? tsy manana akanjo sy kiraro tsara? tsy mba nasaina naloaky ny vavanay zany
tsianjery hazo noely izany,raha azo atao angamba ny nandroaka anay dia mety hjo izay mihintsy. Ny hany fahafinaretanay dia manezakezaka mihira mafy rehefa tonga any antrano fa izay
angamba no mendrika ho anay.Na inona na inona zavatra nitranga teo @ fiainanay anefa dia tsy mba nanana lolompo t@ ireo ankizy nanilikilika anay izahay, izany rahateo koa no anatra
nomen'ny Mama anay mandrakariva,
Faly mandrakariva izahay fa izay no fanomezana lehibe handraisanay ilay Mpamonjy teraka tao Betlehema
Tsikera farany